Numbers 34

Ny ho faritry ny tany Kanana

1Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe: 2Mandidia ny Zanak’ Isiraely hoe: Raha tonga any amin’ ny tany Kanana ianareo, dia izao no tany izay ho azonareo ho lova, dia ny tany Kanana araka izay fari-taniny. 3Ary ny lafiny atsimo amin’ ny taninareo dia hatramin’ ny efitra Zina, izay mifanolotra amin’ i Edoma. Ary ny fari-taninareo atsimo dia hatramin’ ny faran’ ny Ranomasin-tsira any atsinanana, 4dia miolaka eo atsimon’ ny fiakarana Akrabima, dia mandroso hatrany Zina, dia mahazo any atsimon’ i Kadesibarnea, dia mahazo an’ i Hazar-adara ka mandroso hatrany Azmona, 5ary miolaka hatrany Azmona ka hatramin’ ny lohasahan-driak’ i Egypta, ka dia mihatra amin’ ny ranomasina. 6Ary ny amin’ ny fari-tany andrefana, dia indro ny Ranomasina Lehibe sy ny amorony, ka hatreo no ho fari-taninareo andrefana. 7Ary izao no ho fari-taninareo avaratra: hatramin’ ny Ranomasina Lehibe dia aoka ny tendrombohitra Hora no hotandrifinareo; 8ary hatramin’ ny tendrombohitra Hora dia aoka ny lalana mankany Hamata no hotandrifinareo, ary aoka ny fari-tany hahazo an’ i Zedada, 9dia hahazo an’ i Zifrona, ka dia hihatra an’ i Hazar-enana; izany no ho faritaninareo avaratra. 10Ary ny ho fari-taninareo atsinanana dia ampifanitsio amin’ i Hazar-enana ka hatrany Sefama, 11dia hidina hatrany Sefama ka hatrany Ribla any atsinanan’ i Aina, dia mbola hidina ihany koa ka hipaka amin’ ny Ranomasin’ i Kinereta atsinanana, 12dia hidina ihany indray hatrany Jordana, ka dia hihatra amin’ ny Ranomasin-tsira. Izany no ho taninareo araka ny fari-taniny manodidina. 13Ary Mosesy nandidy ny Zanak’ Isiraely ka nanao hoe: Izany no tany izay hozarainareo araka ny filokana, dia izay andidian’ i Jehovah homena ny firenena sivy sy sasany; 14fa ny firenena taranak’ i Robena araka ny fianakaviany sy ny firenena taranak’ i Gada araka ny fianakaviany dia efa nandray ny zara-taniny, ary ny antsasaky ny firenen’ i Manase koa dia efa nandray ny zara-taniny; 15dia ny firenena roa sy sasany samy efa nandray ny zara-taniny atỳ an-dafy atsinanan’ i Jordana, hitsin’ i Jeriko, tandrifin’ ny fiposahan’ ny masoandro.

Ny anaran’ ny lehilahy roa ambin’ ny folo notendrena hizara ny tany

16Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe: 17Izao no anaran’ ny lehilahy izay hizara ny tany ho anareo: Eleazara mpisorona sy Josoa, zanak’ i Nona. 18Ary loholona iray avy amin’ ny isam-pirenena koa no halainareo hizara ny tany. 19Ary izao no anaran’ ireo lehilahy ireo: ny avy amin’ ny firenen’ i Joda dia Kaleba, zanak’ i Jefone; 20ary ny avy amin’ ny firenena taranak’ i Simeona dia Semoela, zanak’ i Amihoda; 21ary ny avy amin’ ny firenen’ i Benjamina dia Elidada, zanak’ i Kislona; 22ary ny lohan’ ny firenena taranak’ i Dana dia Boky, zanak’ i Jogly; 23ary ny avy amin’ ny taranak’ i Josefa: ny lohan’ ny firenena taranak’ i Manase dia Haniela, zanak’ i Efoda; 24ary ny lohan’ ny firenena taranak’ i Efraima dia Kemoela, zanak’ i Siftana; 25ary ny lohan’ ny firenena taranak’ i Zebolona dia Elizafana, zanak’ i Parnaka; 26ary ny lohan’ ny firenena taranak’ Isakara dia Paltiela, zanak’ i Azana; 27ary ny lohan’ ny firenena taranak’ i Asera dia Ahihoda, zanak’ i Selomy; 28ary ny lohan’ ny firenena taranak’ i Naftaly dia Pedahela, zanak’ i Amihoda. 29Ireo no nodidian’ i Jehovah hizara ny tany Kanana ho an’ ny Zanak’ Isiraely.
Copyright information for Mg1865